airtel

Fandriampahalemana

16-sept-2022

Fandriampahalemana

Heroine 1 grama Voatsinjaran’ny mpivarotra azy 35 fonosana

Sample post image

Vehivavy iray 26 taona no tratra nivarotra heroine teny Antohomadinika afak’omaly Alarobia 14 Septambra atoandro tokony ho tamin’ny 01 ora.

16-sept-2022

Raha araka ny fantatra dia anisan’ny mpamatsy "héroïne" eny amin'iny faritra Antohomadinika sy manodidina ity ramatoa ity. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny polisim-pirenena misahana amin'ny ady amin'ny zava- mahadomelina Anosy araka izany nanao ny vela-pandrika rehetra mba hanatrarana azy. Teo am-pivarotana " heroine" mihitsy izy no tratran'ny Polisy ambodiomby, tao amin'ny trano fonenany eny Antohomadinika.Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola hita tao aminy ihany koa fonosana kely "heroine" miisa 17 izay nafeniny tao am-paosiny . Araka ny famotorana natao taminy dia vidiany eny 67 ha ireo heroine ka ny 1 grama mahavita 35 fonosana. Mahalafo eo amin'ny 35 fonosana isan'andro izy araka ny voalazany . Marihana moa fa tsy mitsindrona no sady tsy mifoka ity ramatoa ity fa mpamatsy ary mpivarotra amin’ireo olona tonga mividy ao aminy fotsiny . Natolotra ny fampanoavana omaly izy ka naiditra eny Antanimora vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa sy ireo heroine namidiny
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap
26-mars-2024

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap
26-mars-2024

Teny filamatry ny zandarimaria ny hoe "Miaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony",

Card image cap