airtel

Fandriampahalemana

24-août-2022

Fandriampahalemana

Hetsika be midina an’elakelan-trano Olona 8 no voatery notazonina

Sample post image

Mitohy ny hetsika be midina hataon’ny polisim-pirenena eto an-drenivohitra. Ny alin’ny 22 Aogositra teo fotsiny ohatra dia olona miisa 8 no voatery notazonina.

24-août-2022

Mitohy hatrany araka izany ny fisafoana hataon’ny Polisim-pirenena mandeha an-tongotra sy amin’ny fiarakodia na atoandro na alina amin’ilay hetsika « be midina anaty elakelan-trano ». Ao ireo nanao fanamiana sivily ankoatra ireo hafa efa nanao fanamiany mba hamongorana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo Renivohitra. Isan’izany ity be-midina nataon’ny Commissariat de la Sécurité Publique-n’ny boriborintany faharoa ity. Maro ny polisy nahetsiky ny CSP2 ka nizara roa ny faritra nandehanan’izy ireo ary tapitra voasava avokoa ny tanàna nandehanany toy ny tany Mahazoarivo, Ambohitsoa, Ampamatanana, Androndrakely, TV plus, Morarano, Manakambahiny, Ambohimiandra - Ambatoroka, Andohan'i Mandroseza, Ambohipo, tsena Ambolokandrina, Tsiadana, Ambatoroka. Olona miisa 24 no voatery nosakanana teny amin’ity boriborintany faharoa ka valo tamin’izy ireo noentina teny amin’ny Biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana fototra sy mampiahiahy. Mihamafy hatrany izany fisafoana izany indrindra ny amin’ny alina. Anisan’ireo toerana fieren’ireo olon-dratsy sy hanaovany ny asa ratsiny moa ireo voatanisa rehetra eo ambony ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny polisy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap