airtel

Fandriampahalemana

14-oct-2026

Hita faty

tao anaty tranon-kisoa

Sample post image

Tsy tao intsony ny tanany havanan’ilay

14-oct-2026

renim-pianankaviana
Renim-pianakavina iray, fantatra amin’ny anarana hoe : Razafinirina Marie Suzanne no hita faty tao anatin’ny tranon-kisoa iray tao amin’ny Fokontany Morarano, Kaominina ambonivohitra Fandriana omaly talata 13 Oktobra tokony ho tamin'ny 7 Ora sasany maraina. Araka ny vaovao voaray, dia efa nanomboka ny 06 Oktobra teo no tsy nahitana an’Itompokovavy. Efa nisy ny fikarohana natao noho izany. Vantany vao naharay ny fampandrenesana avy amin’ny Sefom-pokontany ny tompon’andraikitra, dia nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena, niaraka tamin’ny mpitsabo sy ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny kaominina nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana voalohany. Araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo, dia efa nisy fahasimbana tamin’ny ampahany tamin’ny tarehin’ilay renim-pianakaviana, ary tsy hita ny tanany havanana. Ahiana ho vokatry kaikitry ny biby ireo fahasimbana ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro filaminana mba hamantarana ny antony sy ny toe-javatra rehetra manodidina ity tranga mampalahelo ity. Ny hany mby ao an-tsain’ny manodidina dia novonoina Ratompokovavy vao nalefa tao anaty tranon-kisoa saingy mbola noratrain’ireo biby ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anatin’ireo tranon-kisoa ireo no hita ny nofo mangatsiakan’ilay Ramatoa !
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

Mampiditra « fourrière »

Card image cap
12-oct-2026

Ny fonja tsy vaky, ny Sinoa 11 anefa tafavoaka

Card image cap