airtel

Fandriampahalemana

01-août-2022

Fandriampahalemana

HOPITALY HJRA Tratra ireo mangalatra ny entan’ny marary

Sample post image

tao amin'ny hopitalin'ny HJRA Ampefiloha tokony ho tamin'ny 10 Ora sy 45 minitra. Nanararaotra ny andro alina hidirana tao amin'ny hopitaly izy roalahy ireto ka tsy hitondra marary na hiambina marary velively no tena anton-diany

01-août-2022

 fa zavatra hafa. Nihaodihaody nitady izay azony hoentina mody sy ho angalarina izy roalahy. Nisy nahatsikaritra nefa ny fihetsik'izy roalahy ireto ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela ny polisy avy ao amin'ny CSP5, fa nidina ifotony avy hatrany nijery ny zava-misy. Nony tonga tao anatin'ny faritry ny hopitaly ireto polisy ireto dia nahita azy ireo efa saika handositra. Nosamborina avy hatrany ireto jiolahy ireto ka tsy tanteraka ilay halatra noho izany fikasan-dratsiny izany. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana, ka tamin'izany no nahafantarana fa efa efa nisy mametraka fitoriana izy roahalahy ireto noho ny resaka halatra ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy !

 

Dans la même rubrique