airtel

Fandriampahalemana

23-févr-2022

Fandriampahalemana

Ifarihy - Tanjombato Tratry ny vela-pandrika ilay mpivarotra rongony

Sample post image

Lehilahy iray 20 taona nivarotra zava-mahadomelina no voasambotry ny polisy tamin’ny Alatsinainy lasa teo teny Ifarihy/Tanjombato.

23-févr-2022

Nametraka paik’ady ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny commissariat central Atsimondrano mba hamongorana sy hahatrarana ireo mpanao ratsy ao aminy. Fantatr’izy ireo ny olona mpamatsy zava-mahadomelina amin’iny faritra iny izay isan’ny antony mahatonga ireo zatovo irona amin’ny fanaovana asa ratsy rehefa mahazo sy maharay izany. Natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo Polisy manao fanamihana sivily ka tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony ny lehilahy izay nofonosina sy naorina tao anaty sakaosy. Mipetraka eny amin’ny faritra Ambatobe/Ambohijanaka ny lehilahy ary misy manatitra ao aminy izany. Mivarotra antsinjarany indray ity lehilahy ity aorian’izany hamatsiany ireo zatovo eny Ifarihy.

Pati

Legende : Ity ilay lehilahy tratra nivarotra rongony teny Ifarihy Tanjombato

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap