airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2022

Fandriampahalemana

IHOSY Jiolahy efa nifonja tao Tsiafahy no maty voatifitra

Sample post image

Jiolahy iray 32 taona no lavon’ny balan’ny Polisy tao Ihosy ny 15 febroary atoandro teo tao amin’ny fokontany Tanambao rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana.

17-févr-2022

Jiolahy efa rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana any amin’iny faritra Ihorombe sy ny manodidina iny ity jiolahy ity ary efa nifonja tao Tsiafahy . Ny 10 febroary lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana mahakasika fahaverezana moto tao amin’ny fokontany Tanakompania ny polisy, tranga niseho tokony ho tamin’ny 03 ora maraina. Rehefa nataon’ny Polisy ny angom-baovao mahakasika ity fahaverezana moto ity dia nisy nahita tao anaty lobolobo teny Tanambao io moto very io ary tsy lavitra io toerana io ihany koa no misy trano fonenan’ity jiolahy nangalatra azy. Rehefa natao ny fisavana ny trano fonenan’ity jiolahy dia nahatrarana karazan’akanjo maromaro amin’ny gony, basy vita gasy iray, karazana lovia isan-karazany ary lay misy odimoka vaovao anaty fonosana maromaro. Ireto entana tratra ireto izay fantatra fa halatra nataon’izy ireo ny alin’ny 20 janoary 2022 lasa teo tao amin’ny fokontany Fanjakamandroso. Tao amin’io toerana io ihany koa no nahatrarana ireo karazana gadena, antsy lava, marteau, tourne vice izay nafenin’ity farany ka voatifitra rehefa nikasa ny handositra. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity sy ny fikarohana ireo namany.

Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay jiolahy tratra
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap