airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2022

Fandriampahalemana

Iraka tarihin'ny Praiminisitra Hamerina ny “Dinan’i Melaky tsy mipoly”

Sample post image

Nigadona tao Maintirano omaly 21 jolay 2022 ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta Atoa Ntsay Christian.

22-juil-2022

Tsy nandeha irery fa miaraka amin’ny mpikambana maromaro ao anatin’ny governemanta Minisitry ny Angovo sy Rano ary Akoran’Afo izay Ministra mpiahy ny Faritra Melaky, Minisitry ny Filaminam-bahoaka, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, ny Tale jeneraly ao amin'ny Minisiteran’ny Fitsarana, Lehiben’ny faritra, lehiben’ny distrika maromaro… Hidinika ny tetika hampanjakana ny fandriampahalemana maharitra ho an'ny vahoaka izay iarahana amin'ireo Tompon'andraikitra ao amin'ny faritra Melaky, hoy ny fampitam-baovao. Laharam-pahamehana mandritra izao dinika izao ny hanomezana aina indray ny Dinan'i Melaky tsy mipoly efa nisy hatrizay, ka hanaovana dinika mandritra ny roa andro. Mila ny fifampitokisana sy fandraisana andraikitry ny tsirairay ny famerenana ny fandriam-pahalemana, hoy ny Praiminisitra. Izany no nambara fa antony itodihana amin'ny famerenana ny dina, ary tsy maintsy hahitsy ny tsy nety; hotohizana ny efa nahitana fahombiazana, nampilamina ny fiarahamonina sy nahafahany namokatra. Nisy moa ny fahoriam-bahoaka natao tao Maintirano io omaly io.

Toky R
 

Dans la même rubrique