airtel

Fandriampahalemana

08-nov-2021

Fandriampahalemana

Isotry sy ny manodidina Mpanendaka 5 lahy indray tratra

Sample post image

Lehilahy miisa dimy no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro sy fahaefatra etsy isotry ny 06 novambra teo tokony ho tamin’ny 03ora tolakandro rehefa avy nanendaka.

08-nov-2021

 Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy mba hisian’ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Teny amin’ny Rond Point Bmh izy ireo no tratra. Samy teo am- panaovana ny asa ratsiny avokoa izy ireo no saron’ny Polisy nanao fanamiana sivily. Ny iray kosa dia sarona noho ny fiaraha-miasa tamin’ny polisin’ny Compagnie Urbaine de Circulation izay efa hikoizana amin’ny harom-paosy eny amin’iny faritra Isotry sy Andavamamba iny. Ny 07 novambra 2021 tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany dia mpanendaka iray 19 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Boriboritany fahatelo Antaninandro sy ny BFP tao amin’ny tsenan’ Andravoahangy ity farany izay fantatra fa dokeran’ ny tsena ihany ary anisan’ny efa karohin’ny Polisy eny an-toerana ihany koa.
Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap