airtel

Fandriampahalemana

30-déc-2021

Fandriampahalemana

Ivoamba Lalangina Jiolahy 3 lavon’ny bala, 05 tratra

Sample post image

Jiolahy miisa 05 no voasambotra ka 01 no lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Matsiatra Ambony ny 29 desambra lasa teo tany an-toerana rehefa namaky trano.

30-déc-2021


 Naharay fitoriana maromaro mahakasika ny halatra akoho amam-borona miisa 27 sy ondry maromaro arahana herisetra izay mateti-piseho any an-toerana ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Matsiatra ambony raha tsiahivina. Omaly 29 desambra 2021 tokony ho tamin’ny 07 ora sy 30mn araka izany dia nandray ny andraikiny izy ireo tamin’ny fisamborana ny tompon’antoka tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ivoamba Distrikan’i Lalangina. Nandritra izany no niezaka nanohitra sy nandositra ireo Polisy ny lehilahy 30 taona nahavanon-doza tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovam-piadiana teny aminy ka tamin’izay na nahalavo azy. Ity farany dia tsy zoviana amin’ny maro intsony mikasika ny resaka halatra akoho amam-borona mitranga any an-toerana tato ho ato. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon’ny Polisy any an-toerana mahakasika ireo olon-dratsy namany. Ny marainan’ny 29 desambra teo tokony ho tamin’ny 05 ora kosa no voasambotry ny Polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) tany an-toerana ireo lehilahy miisa 04 izay tompon’antoka tamin’ny vaky trano mitranga tao amin’ny fari-piadidian’izy ireo. Mbola tratra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo avokoa ny zavatra vao avy nangalariny tany amin’ilay trano novakiny. Marihina fa efa mpamerin-keloka izy ireo ary resaka halatra miaro vaky trano no nidirana tany am-ponja ka vao nivoaka tamin’ny volana aogositra 2021 lasa teo izy ireo. 22 ka hatramin’ny 38 ny salan-taonan’izy ireo.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray maty sy ireo namany !
 

Dans la même rubrique