malagasy sady mpikambana eo anivon’ny Vovonan’ny olompirenena miady amin’ny tsimatimanota, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Hatramin’ny vehivavy bevohoka, hoy izy, kasihin-tanana dia afa-jaza. Tsy misy fanadihadiana. Nisy vono nandratrana olona ary niteraka fahafatesana mihitsy fa tsy nisy fanadihadiana. Nisy fandoroana “tracteur” na fiarabe fampiasa amin’ny fambolena fa tsy misy fanadihadiana. Fandrobana fananan’olona tonga dia lasa fotsiny ny vary amin’ny gony maro, tsy misy fanadihadiana. Ny resaka mpamboly niaraka tamin’ny SOCOTA moa no tena nohamarininay sy nidinanay tany an-toerana. Tanin’olona eo amin’ny 3000 ha eo no hiharana antsojay. Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena sy minisitry ny fitsarana ary ny governoran’ny faritra Sofia ireo fikambanana goavana mpamboly miaraka amin’ny orinasa SOCOTA noho ny fandrobana, fikasihan-tanana nitarika fahafatesana, famonoana vehivavy bevohoka ary afaka zaza tao an-kibo. Herisetra sy asan-jiolahy ary tsy fampiharana didim-pitsarana sy famotehana voly no manjaka ao an-toerana.
MISY POROFO AVOKOA
Ankoatra ireo fanafihana zaza amam-behivavy amin’ny 11 ora alina, fakana an-keriny vokatra, famakiana magazay izay misy porofo avokoa saingy miraviravy tanana ny solontenam-panjakana ao amin’ny distrikan’i Mampikony, indrindra, ny OMC satria hoe misy mpanao politika henjana ao ambadiky ny mpandroba izay tena manao asan-jiolahy tsotra izao. Hanaovanay antsoavo ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, ny minisitry ny fitsarana, izay mametraka fa ambanin’ny lalàna ny olona rehetra, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny minisiteran’ny atitany.
TOY NY TSY ANATY FANJAKAN’I MADAGASIKARA
Fokontany miisa 9 nidinanay ifotony nitovy daholo ny fitarainana voaray. Toy ny tsy anaty fanjakan’i Madagasikara intsony i Mampikony. Tany misy titra sy borna ary nampiasaina hatrany no hiadian’ireto olona manao asan-dahalo ireto amin’ireo mpamboly. Melohinay ny fikasihan-tanana ireo vehivavy bevohoka. Misy fitifirana amina flesy asiana asidra ataon’ireo mpihetraketraka. Raiamandreny efa 80 taona no mbola hiarana daroka. Nanao fihetsiketsehana ho fanoherana ny tsy rariny misy any an-toerana moa ireo mponina ny sabotsy 15 jolay teo. Toerana tokony ho ivon’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena anefa ao. Miompy omby, mamboly vary, mamboly lojy. Mila amboarina ity firenena ity. Mila mafy ny mpiaro ny zon’olombelona. Fampandrosoana goavambe ny ao amin’ny distrikan’i Mampikony nefa hitrikitrihako eto hoe tany tsy misy manam-pahefana. Mpiasa fahiny tao amin’ilay orinasa ihany no namadika taty aoriana hoe tanina “colon” io. Dia mandroba ry zareo. Tazomina fotsiny ao amin’ny OMC Mampikony ny vary nogiazana dia mamoaka didy ry zareo avy eo dia lazainy hoe zarao roa ny vary nefa ireo mpamboly no namboly. Misy manapatra fahefana sy tsimatimanota ao Mampikony ary tena zava-doza no miandry ny malagasy monina ao, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija