airtel

Fandriampahalemana

09-juil-2021

Fandriampahalemana

Jeneraly Ravalomanana Richard “Tena nisy ny fikasana hamono sy handatsa-drà”

Sample post image

Mitohy ny raharaha fikasana hamono mpitondra ambony, ka nilazan’ny Jeneraly Ravalomanana Richard omaly, fa tsy misy hidirany ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo voasambotra,

09-juil-2021

 ary nisy minisitra fikasana ra mandriaka na “attentat”. “Izaho aloha tena niditra tamin’ilay izy satria ny tena ao anatiny dia manahirana ilay izy. Manao ny fanadihadiana fotsiny ny zandary, tafiditra tao ny “elements des renseingnements” anay, dia hoe alohan’ny faha-26 jona no hatao izay hisiana zavatra hipoaka rehefa tsy nahomby ilay fitarihana olona hikorontana sy ny sisa. Nivadika resaka hoe: “attentat”, ka ny talata tamin’izay dia hoe ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no atao voalohany. Ny alarobia maraina taorian’ny filankevitry ny minisitra no hoe hanao ilay “attendant” rehefa mirava ny filankevitra. Nandeha nakany, ka nisy olona nitondra Kalacknikov roa tany ary grenady 4, ary izay ny loharanom-baovao teo am-pelantananay ankoatra ny basy nentina. Rehefa tona ny tamin’ny 4ora hariva, dia efa teo ny hafa ary nisy ny mbola tsy tonga. Tonga dia nanapa-kevitra ny zandary hoe aleo tonga dia samborina ireto satria izaho tsy nino an’ilay izy. Ny tena marina dia nasian-dry zareo mpiambina tany amiko ny talata, ary izao niteny hoe tsy izaho no mila fiarovana fa ireo minisitra hafa no tokony hamafisina fiambenana. Tonga dia nosamborina amin’izay mino ny saiko, ka nisamborin’izy ireo ary tany amin’ny filankevitra aho no nisy niantso hoe efa voasambotra ato ireo olona ary miaraka amin’ny basy efa voafahana”, hoy ny Jeneraly Ravalomanana omaly. 5 moa no efa nidoboka eny Tsiafahy, ary voalaza fa mbola tsy nisy “ordre de poursuite” na fahazoan-dàlana hisambotra ho an’ilay zandary voasambotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap