airtel

Fandriampahalemana

15-nov-2022

Fandriampahalemana

Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tsy dia mampino loatra ilay hoe nisy nifofo aina”

Sample post image

Tsy indray mandeha no nisy fanambarana fa ny filohan’ny repoblika izao tamin’ny Appolo 21 dia hoe nisy nifofo ny ainy, hoy ny minisitra teo aloha sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

15-nov-2022

Izao indray izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara, hoy izy. Iza indray izany no manaraka? Ohatry ny tsy dia mampino izany amiko. Raha sanatria ka nisy izany dia tsy ilay olona no tokony hanao fanambarana fa ny mpitandro filaminana izay manao ny fanadihadiana. Misy tsy filaminan-tsaina ao amin’ny mpitondra ao. Na ny filohan’ny repoblika na ny ben’ny tanàna dia misy karazana fanaovana resaka mba hialan’ny vahoaka malagasy ny fahasarotam-piainana an-davan’andro. “Diversion” na fandrendrehana saim-bahoaka izany amiko. Raha izany loholona mikasi-tanana olona izany kosa amiko dia tsy fahamatorana. Tsy kitanotano ny fanaovana politika fa olona niofana nandritry ny fotoana ela no tokony ho tonga amin’izany toerana loholona izany. Raha olona voatendry kitanotano na voafidy noho ny fananam-bola fotsiny dia tsy mahagaga raha tonga amin’izany ny fiainana politika eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique