miisa 4 lavon’ny balan’ny SAG teny akaikin’ny Art Malagasy Ambohitrimanjaka ny Zoma 21 Jona lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanomana fanafihana teny Ambohitrimanjaka ireto jiolahy ireto. Naharay antso anefa ny SAG mikasika azy ireo izay mbola nanamafy ihany koa fa mitondra basy sy antsy izy efa-dahy.Polisy nanao fanamiana sivily no nidina avy hatrany teny an-toerana ka nahita ireto jiolahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny. Raikitra ny fifandonana ka lavo tamin’izany izy efa-dahy. Nihena 4 indray araka izany ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika eto amintsika. Na izany aza mitohy hatrany ny ezaka amin'ny famongorana ireo mpanao ratsy ataon'ny Polisim-pirenena. Miantso ny rehetra mba hampandre sy hanome vaovao ny azy ireo ara-potoana araka izany ny polisy raha misy tranga mampiahiahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy jiolahy namoy ny ainy !
Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty
Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy