Fantatry ny Polisy tompon’andraikitry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana ny fieren’ireo jiolahy mpanatanteraka fakana an-keriny izay miseho any amin’iny faritra iny. Niara-nisalahy noho izany ireo Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra Menabe izay nahitana ny kaomisaria CSP Mahabo sy ny Polisin’ny FIP Morondava tamin’ny fitsirihana ireo tanana ireo. Omaly 12 Jolay nandritra izany no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy izay namaly tifitra nandritra ny fisamborana azy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe : Besara kaominina ambanivohitra Ampanihy. Ireo namany hafa mipetraka ao amin’ny tanana antsoina hoe : Belohahena Fokontany sy kaominina Ampanihy kosa nandositra raha vantany vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana lavidavitra. Navelany teo avokoa ny zavatra fampiasany toy ny finday, ody gasy sy famaky fampiasa ary kara-panondro sy pasipaoro. Ny lehilahy iray hafa kosa tra-tehaka tao amin’ny tanana iray antsoina hoe : Amboriky Fokontany Mahabokely kaominina ambanivohitra Mahabo taorian’ny fifanenjehana natao. Tsy tratra tao amin’ny trano fonenany kosa ny sasany tamin’ireo mpanao ratsy nandritra ny fandalovan’ny Polisy tao aminy. Mitohy ny fikarohana ireo naman’izy ireo.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray namoy ny ainy sy ilay azo sambo-belona ary ireo fitaovana nampiasainy
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.