airtel

Fandriampahalemana

27-août-2026

Jiolahy

mpanakan-dalana amin'ny RN7 Nisy ‎roa voasambotra,

Sample post image

mbola misy karohina

27-août-2026

Fiara fitateram-bahoaka iray mampitohy an'Antananarivo-Toliara no tratry ny sakan-dalana tamin'ny tsivalan-kazo nataon'andian-jiolahy nirongo basim-borona sy vy maranitra ary vato teo akaiky ny "fenêtre de l´Isalo" amin'ny RN7 ny alin'ny 19 Aogositra 2026. Voaroba tamin'izany ny vola sy ny entan'ireo mpandeha. Andian'olona avy ao amin'ny tanàna tsy lavitra an'ilay nitrangan'ny fanafihana ihany no nahavanon-doza ka nidina nanao ny fikarohana azy ireo ny Zandary ny 22 Aogositra 2026, vao maraina. ‎Efa mailomailo moa ireo jiolahy sasany taorian'ilay tranga ka roa tamin'izy ireo ihany no tratra tao an-tanàna, izay efa teo andalam-pandosirana koa aza fa voasakana. ‎Hita tao amin'ireto jiolahy ireto ny entan'olona sasany izay voaroba izay nanamarina ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'io asa ratsy io. ‎Sarona tao amin'izy ireo koa ireo fitaovana sy akora fanamboarana bala vita tanana fitondran'izy ireo manafika, izay manaporofo fa fikambanan-jiolahy efa galifantsy izy ireo. ‎Tazomina ao amin'ny Tobim-paritra Zandarimaria Andohanilakaka ireo jiolahy ireo hanaovana fanadihadiana. ‎Mbola karohana kosa ireo namany hafa nanafika sy niray tsikombakomba nifanampy tamin'izay ireo.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

voasambotra tany Andonaka

Card image cap
27-août-2026

Mihazakazaka ny fikarohana ny

Card image cap
27-août-2026

raha mijery ny ara-tantara!

Card image cap
27-août-2026

7 tapitrisa an'ny mpampiasa azy

Card image cap