airtel

Fandriampahalemana

02-déc-2024

JIOLAHY MPANOLANA MPIANTSENA

Maty voatifitra, afa-po ny mponin’i Maroadabo.

Sample post image

Maty voatifitra ny faran’ny herinandro teo ilay jiolahy sady mpanolana ireo mpiantsena avy any Bevoay sy Befanihy.

02-déc-2024

Raha araka ny fantatra dia sakanan’io tsy mataho-tody io ny mpiantsena mandeha vao maraina ary haolany. Tsy hanavahana sokajin-taona izany fa hataony mitondra faisana avokoa rehefa vehivavy. Ankoatra izay dia fantatra fa mamono olona ihany koa izy ireo raha tsy lazaina intsony ny fangalaran’omby. Maromaro moa ny namany nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fifanjevoana saingy izy no lavo ka nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo-tsy mifody. Mbola hifampitadiavana kosa ireo namany hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Nopaohan’ny fahafatesana ity jiolahy ity rehefa avy namono sy nanolana vehivavy maro !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap