Raha araka ny fantatra dia sakanan’io tsy mataho-tody io ny mpiantsena mandeha vao maraina ary haolany. Tsy hanavahana sokajin-taona izany fa hataony mitondra faisana avokoa rehefa vehivavy. Ankoatra izay dia fantatra fa mamono olona ihany koa izy ireo raha tsy lazaina intsony ny fangalaran’omby. Maromaro moa ny namany nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fifanjevoana saingy izy no lavo ka nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo-tsy mifody. Mbola hifampitadiavana kosa ireo namany hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Nopaohan’ny fahafatesana ity jiolahy ity rehefa avy namono sy nanolana vehivavy maro !
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty