Jiolahy miisa 3 no nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny Fokontany Mendrikolovana no lavon’ny bala ny iray. Afak’omaly Talata 31 Mey alina no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha araka ny tao vaovao azo dia amin'ny trano iray tsy nisy nipetraka izy ireo no tratra ambodiomby ka mbola ninia nandositra ihany ilay iray na dia efa nahazo fampitandrema tamin'ny mpitandro ny filaminana aza. Voatery nitifitra ireto farany noho izany. Na izany aza mbola nahitana basy poleta marika colt, kalibra 7,65 m/m, misy bala miisa 03 kosa teny am-pelatanan'io jiolahy voatifitra io ka nogiazana avy hatrany. Tafaporitsaka kosa ireo roa (02) hafa izay mbola karohina mafy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Tovolahy iray 23 taona no tratra teny Ankadifotsy Befelatanana rehefa namaky fiara sy nangalatra kojakojam-piarakodia.
Tafakatra 18 isa no voasambotra, ady tany no niteraka valifaty ary mponina ao an-toerana ihany no nahavanona ny vono olona feno habibiana tao Ifanadiana,