nadaka mandrivorivo renim-pianankaviana
Renim-pianakaviana iray nitondra moto nomeny ny daka mandrivorivo, tezitra mafy Mivoaka mirihariha eny anivon’ny fiaraha-monina indray i Joda Capsat, ilay lehilahy marary saina mampikolay ny mponina ao Mahajanga. Renim-pianakaviana iray nitondra moto omaly Alatsinainy 02 Novambra no voalaza fa nomeny ny daka mandrivorivo. Nandalo teo amin’ny lohany mihitsy izany daka izany ka tezitra mafy ilay Ramatoa. Nanafatra ny fianakavian'i Joda sy Fitondram-panjakana araka izany ity farany fa handray andraikitra momba ity lehilahy marary saina hafahafa ity ny tenany rehefa tsy hanao ny fianakaviany sy ireo manam-pahefana. Milaza ny hitondra antsy izy amin’ny manaraka koa raha misy fihetsika hafahafa hataon'i Joda farany aminy dia hamono avy hatrany izy ho fiarovany ny ainy. Niantso ny mponina rehetra ao Mahajanga koa ny tenany mba hiray hina hamono an'i Joda Capsat atao malemy mihintsy raha mbola manao fihetsika mahery vaika tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona ny hifanandrina amin’i Joda Capsat mihitsy ity Renim-pianakaviana ity !