airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2022

Fandriampahalemana

Kaominina Alasora Nahazo birao vaovao ny borigadin’ny zandary

Sample post image

Miroso amin’ny ady hatao amin’ny tsy fandriampahalemana mba hananan’ny mponina fiainana milamina ny eo anivon’ny kaominina Alasora, tarihin’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy.

17-févr-2022

Tao anatin’ny 8 taona no mankaty no efa nanaovan’ny kaominina izany ka tafiditra tao anatin’ireny ny tamin’ny fotoana naha-lefitry ny Ben’ny tanàna an-dRandriantsoa Jimmy izay lasa Ben’ny tanàna ankehitriny. Maro ny efa zava-bita tamin’izany. Ankehitriny indray dia navadika ho lasa borigadin’ ny zandarimariam-pirenena ny biraon’ny zandary teo aloha. Mitentina 60 tapitrisa Ar ny vola lany amin’izany izay efa ho vita afaka fotoana fohy. Efa afaka mizara tsara noho izany ny asan’ny polisy sy ny zandary amin’ny fisahanana ireo Fokontany 20 mandrafitra ny kaominina Alasora. Na izany aza anefa hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia afaka mifanampy sy mifanohana hatrany ny roa tonta amin’izay fitandroana ny filaminana izay. Aoriana kely ao dia fantatra ihany koa fa hametraka poste avancé an’ny polisy isaky ny Fokontany ny kaominina izay mbola hiaraha-midinika miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hanaovana izany. Efa ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa Alasora mirehitra jiro ihany koa ny kaominina amin’izao. Ny Agence Française de developpement no mamatsy vola ny tetikasa ka jiro miisa 613 no kasaina hapetraka eny amin’ny lalankely rehetra. Jiro miisa 200 isan-taona no hatao amin’izany, tetikasa efa natomboka tamin’ny taona 2021.
Pati
Legende : Ity ilay birao vaovaon’ny boridagin’ny zandary Alasora

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap