airtel

Fandriampahalemana

20-janv-2021

Fandriampahalemana

Karana voatsindron’antsy teo amin’ny fony Efa-dahy no indray nalefa eny Tsiafahy

Sample post image

Jiolahy miisa 4 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny BC Anosy sakelika

20-janv-2021

 

 

 

fahaefatra ny alin’ny 18 janoary teo, tokony ho tamin’ny 08 ora sasany taorian’ilay raharaha fanafihana narahana herisetra nahafatesana tera-tany karana iray voatsindrona antsy teo amin'ny fony. Antso avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nilaza fa misy trangana fanafihana eny Ankadimbahoaka, tokony ho tamin’ny 08 ora alina, tamin’io andro io ihany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy ka vao tazan’ireto nanatona azy dia nandositra avy hatrany izy ireo. Nitohy tamin’ny fifanenjehana tamin’ny fiara izany ka teny Ankorondrano vao tratra. Miisa telo ireo jiolahy tao anatin’ilay fiara, ary ireo indray no nanoro ny namany hafa. Ny iray mipetraka eny Andranomahery raha teny Ankadimbahoaka kosa ny iray. Marihana fa ny roa tamin’ireo dia mpiasa tao amin'ilay toerana notafihany ihany. Mpiambina ilay toerana ny iray raha mpamily ny iray, ity farany izay ati-doha nitarika ilay fanafihana . Efa nigadra noho ny resaka fanafihan-jiolahy ihany ity farany raha araka ny fantatra. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo ary efa nalefa eny Tsiafahy vonjimaika.

Pati

 Legende : Ireto izy efa-dahy

Dans la même rubrique