airtel

Fandriampahalemana

18-juil-2025

Kidnapping nitakiana 10 tapitrisa

Mpiambina olona ambony voasambotra

Sample post image

Vehivavy iray no nalain’olona mitam-piadiana an-keriny tao an-tranony,

18-juil-2025

ao Ankadikely, tamin'ny 10 jolay 2025, raha tatitra. Nilaza ho avy amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) ireo mpaka an-keriny, ary nitondra taratasy momba azy, saingy tetika fotsiny izany. Nentina tany amin’ny toerana tsy fantatra ilay ramatoa, nofatorana sy nosaronana ny lohany, ary nitaky vola mitentina 10 tapitrisa Ariary ireo nahavanon-doza. Nihetsika haingana ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritra Tana/Ville. Tamin’ny 11 Jolay, voavonjy soa aman-tsara ilay vehivavy tao Antsahamamy Ambolokandrina, tsy nandoa vola akory ny vadiny. Voasambotra teo no ho eo ny sergent-chef mpiambina lefitry ny Filohan’ny andrim-panjakana iray sy vehivavy iray namany, niaraka tamin’ny poleta iray calibre 7.62 mm sy bala miisa 8. Tamin’ny 15 Jolay, tratra koa ny miaramila misotro ronono voalaza fa loharano sy tompon-kevitra tamin’ny fakàna an-keriny, izay efa niasa tao amin’ny DAS, Betatao Anjozorobe. Raha raisina amin'itony, dia tany anaty rafitra ara-panjakana mihitsy izany ny jiolahy, olona hary fitaovana, mpiambina olona ambony, mpitandro filaminana, karamaina amin'ny volam-panjakana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique