airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2022

Fandriampahalemana

Lalam-pirenena faha-4 Telolahy nanafika mpanao vakansy

Sample post image

Fianakaviana iray handeha hiala sasatra any amin'iny Faritra Boeny iny ary nitondra ny fiarany manokana no fantatra fa notafihin'ny dahalo afak'omaly.

22-juil-2022

Tao amin'ny tanana kely antsoina hoe : Andohamasina miala kely an'i Mahitsy, lalam-pirenena fahaefatra izy ireo no lasibatra ka notorahin'ireo jiolahy tamin'ny vato nandritra izany ny fitaratr'ilay fiara nentin'izy ireo. Potika tanteraka noho izany ny fitaratr'ilay fiara. Tsy afa-nanoatra ireo tompony nandritra izany fa niezaka nanavotra ny ainy ka teo amin'ny tobin'ny zandary teo Ampanotokana no nila vonjy. Ireto farany taorian'izany no niezaka nanenjika ireo jiolahy izay miisa 3 raha ny loharanom-baovao azo. Tsy lavitra an'i Mahitsy moa ireto farany no tratra izay vinavinaina ho tsy an'asa nefa mety azo heritreretina ho efa manao mpanafihana any amin'iny lalam-pirenena fahaefatra iny ihany koa. Ny fanadihadian'ny zandary moa no tena hamaritra izany. Ny hany azo ambara dia tokony samy hitandrina avokoa mpanao vakansy mikaza hiazo iny lalam-pirenena fahaefatra iny fa efa tonga eo Mahitsy ny mpanao fanafihana ary tena tsy milamina intsony ny tany.
Nangonin'i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap