airtel

Fandriampahalemana

17-juil-2024

LEHILAHY 72 TAONA TSY HITA TAPA-BOLANA

Ny karan-dohany sy ny taolany efa lanin’ny alika sisa hita

Sample post image

Hita ilay lehilahy lehibe 72 taona nanjavona tao Imerintsiatosika ary nanaovan’ny fianakaviany

17-juil-2024

fampilazana tamin’ny radio tapa-bolana lasa izay. Vatana mangatsiaka efa norotidrotehan’ny alika anefa sisa no hita tao amin’ny Fokontany Mamoladahy 2bis Amparihy kaominina Imerintsiatosika afak’omaly Alatsinainy 15 Jolay tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro no sady efa nisy fofona. Tao anaty kirihitra manodidina ny fasana Mamoladahy no nahitana azy raha ny vaovao azo ka ankizy roalahy nanao ankiafina no nahita ny lohany voalohany izay efa karana sisa. Tsy lavitra ity karan-doha ity moa no nahitana ny akanjony, ny kapa ary ny pataloha sy ny satroka nanaovan’Itompokolahy. Rehefa nokarohin’ny fokonolona ny manodidina dia mbola nahitana taolan-dava vitsivitsy efa lanin'ny alika koa. Tombanan'ny fianakaviana ho nisy namono Itompokolahy. Na izany aza ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no tena maharitra izany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana ! Ilay karandoha !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap