airtel

Fandriampahalemana

07-sept-2021

Fandriampahalemana

Lehilahy efa nifonja tany tsiafahy Tratra saika hanendaka tovovavy 2 indray

Sample post image

Lehilahy iray, efa nifonja no tratran’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra FTA II sy New Eden ny sabotsy 04 septambra teo raha mbola teo am-pikasana hanendaka tovovavy.

07-sept-2021

 Polisy manao fanamiana sivily no nahatratra azy io. Tamin’ny andron’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro raha tsiahivina no tratra tao an’ elankelan-trano iray ity lehilahy ity. Kaodikaody izy nandritra izany nanaraka tovovavy miisa 02 nandeha teo alohany. Nony lasa lavidavitra dia nanakaiky ireo tovovavy ity olon-dratsy ary saika hanao ny asa ratsiny. Niditra an-tsehatra avy hatrany anefa ireo Polisy nanao fanamiana sivily ka nanenjika ilay olon-dratsy izay nandositra vao nahita ireto farany. Voasambotra tsy lavitra teo izy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ho saika hanendaka ireo tovovavy ireo ity olon-dratsy ity. Fantatra fa efa mpamerin-keloka izy satria efa nifonja tao Antanimora, ary vao nivoaka ny Fonjan’i Tsiafahy tamin’ny volana Febroary teo. Fanendahana miaro fampiasana sabatra no antony nidirany tany am-ponja. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ka naiditra am-ponja vonjimaika indray.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap