airtel

Fandriampahalemana

01-sept-2026

LEHILAHY HITA FATY

TAO IKONGO

Sample post image

Tsy teo intsony ny masony, ny lelany, ny fony....

01-sept-2026

Mbola misy hatrany ireo tsy maty voalavo an-kibo mamono ireo mpiray tanindrazana sy mangalatra taova. Lehilahy iray, tokony ho 22 taona indray no hita faty afak'omaly Alahady 30 Aogositra maraina, tao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina sy distrikan’Ikongo. Manodidina ny 50 metatra miala ny tanàna no nahitana ny razana raha olona iray handeha hiasa maraina no nahatsikaritra azy. Ity farany avy eo no nampandre avy hatrany ny tompon'andraikitra hoy ny vaovao azo. Niboridana tanteraka ilay tovolahy raha araka ny fantatra ary hita niankohoka teo amoron’ny lakandrano teo akaikin’ny kirihitr’ala. Nandritra ny fizahana no nahitana fa tsy teo intsony ny taova sasany tamin’ny vatany toy ny lelany, ny masony, ny fony, ny atiny ary ny tanana havanana izay nampametra-panontaniana ny maro hoe : natao inona ? Toraka izany koa ny hoe : tena nanam-potoana malalaka ireo mpamono olona namiravirana ny vatana mangatsiakan'ity tovolahy ity izay tombanana ho niaraka tamin'ny zava-mahadomelina mihitsy.Noho ny fahasimban’ny razana moa dia mbola tsy fantatra ny mombamomba azy hatramin'ny omaly fotoana nandevenana ilay nofo mangatsiaka tao amin'ilay Fokontany nahitana azy ihany. Miantso ireo fianakaviana manana havana tsy hita ny tompon'andraikitra ao Ikongo noho izany mba hanatona ny Fokontany. Efa manao ny asany moa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana koa andrasana izay mety ho tohin'ity vono olona feno habibiana nitranga tao Ikongo ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Horohoro no nahitana ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap