Tratra niaraka tamin’izy ireto ny rongony 200g sy ireo efa vita amin'ny taratasy mirefy 15cm hofohana ary paraky gasy. Raha tsiahivina dia nanao fanamian’ny mpitandro filaminana ireto andian-dahalo ireto, nidina naka raim-pianakaviana iray mpanarivo‚ mpiompy omby monina tao Andavaravina CU Analalava saingy notetitetehan'izy ireo ilay raim-pianakaviana ny 30 jolay hifoha 01 Aogositra 2024. Nanokatra fanadihadiana momba izany ny Zandarimaria ka ny farany volana Novambra 2024 teo no voasambotry Zandary avy ao amin’ny GAPJ Sofia izay tarihin’ny Kapiteny SAYAH Rakotonirina izy 06 mirahalahy tompon’antoka. Efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Pâti
Légende : Mahavita mamono olona ny jiolahy rehefa miaraka amin'ny rongony !
Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona
Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona
Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,