airtel

Fandriampahalemana

16-juin-2021

Fandriampahalemana

Madera Namontana Noraisim-potsiny teo am-panendahana i Rasta

Sample post image

Tratra omaly vao maraina, tamin'ny 4 ora sy 20 minitra, teny Namontana, anelanelan'ny Colis Express sy ny farmasia i Rasta.

16-juin-2021

 

Tovovavy iray mamonjy tsena maraina no noribain’ity farany sy ilay naman ka lasany tamin’izany ny finday.Niantso vonjeo anefa ilay tovovavy ka nenjehin’ny fokonolona i Rasta sy ilay namany ary tena niharan’ny vono sy nydaroka tokoa. Naterin’ny fokonolona tany amin’ny Fokontany moa Rasta taorian’izany rehefa niandrasana ora iray ny polisy ka tsy tonga ihany.Raha ny fantatra moa dia hatreny amin'ny rond-point Soanierana ka hatrany amin'ny rond-point Anosibe ity asa fanendahana eny Namontana sy ny manodidina ity. Tsy misy jiro rahateo eny an-toerana fa maizin-kitroka. Raha ny fantatra hatrany moa dia any anaty tsena ireo jiolahy no miery amin’ny alina no sady misotro toaka ary mivoaka izy ireny raha vantany vao madiva haraina hanendaka ireo mpaka entana sy mpitondra entana.

Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap