airtel

Fandriampahalemana

08-nov-2021

Fandriampahalemana

Maevatanana Mpiasan’ny fahasalamana roa lasibatry ny fanafihana

Sample post image

Mpiasan’ny fahasalamana miisa roa izay "Anesthesiste" mivady izay miasa ao amin'ny CHRR Maevatanana no nisy nanafika ny alin’ny sabotsy 06 novambra teo tokony ho tamin'ny 08 ora rehefa hody hisakafo fa “garde” ny lehilahy.

08-nov-2021

 Samy naratra avokoa izy mivady ireo, ka voatery manaraka fitsaboana. Nanameloka ny herisetra nahazo azy ireo ny Minisiteran’ny fahasalamana. Notsiahivina, fa tsy mandry andro tsy mandry alina ny mpiasan'ny Fahasalamana amin'ny fitsaboana ny vahoaka. Tsy mitandro hasasarana ary tsy mikely soroka izy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany satria “izay marary andrianina” ary “masina ny ain'ny olombelona” ka tsy maintsy tandrovina mandrakariva. Na an-drenivohitra na any ambanivohitra dia mian-dahy miam-bavy ireo mpiasan'ny Fahasalamana (Dokotera, Paramed, Administrateur,…) no mifanome tanana, misikim-ponitra amin'ny fanatanterahana ny adidy masina izay sahaniny dia ny miaro sy mitsabo ary mamonjy ny mpiray tanindrazana manoloana ireo loza sy aretina samihafa, hoy ny Minisitera. Noraisina an-tanana manontolo avy hatrany tamin'ny alalan'ny “Fonds d'urgence” ny fitsaboana azy ireo. Ankoatra izay, amin’ny maha iray vatsy iray aina dia nanolotra solon-dranom-boankazo ihany koa ny Minisitera tamin’ny alalan’ny Fiadidiam-paritry ara-pahalasamana any Betsiboka. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Lehiben'ny Hopitaly CHRR Maevatanana omaly maraina, dia mbola manaraka fitsaboana izy ireo ary tsy misy atahorana ny ainy. Nirary fahasalamana haingana ho azy ireo ary manentana ny tsirairay isan’ambaratongany, ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny amin'ny fanamafisana ny fitandroana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy Minisiteran’ny fahasalamana.
Toky R
 

Dans la même rubrique