airtel

Fandriampahalemana

24-oct-2022

Fandriampahalemana

Mahabo - Menabe Mpampivelona indray no nalain’ny dahalo an-keriny

Sample post image

Toa tsy misy varany akory ho an’ny sendikan’ny mpampivelona sy ny infirmiera ny nanaovana ilay andron’ny firaisankina nanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany tamin’ireo namany roa lasibatry ny jiolahy tany Maintirano sy Soalala.

24-oct-2022

Vao andro vitsy lasa mantsy izay dia mpampivelona iray niasa tany Mahabo, Faritra Menabe indray no notafihin’ny dahalo sy nalainy an-keriny. Nisy ny famonjena natao azy nandritra izany ka navotsotr’ireo mpanao ratsy ihany izy ary efa nalefa eto Antananarivo ankehitriny. Nampanantena anefa ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana eto amintsika fa hiresaka amin’ny mpitandro ny filaminana hoy ny filohan’ny sendika ka hijery sy hiaro ny ain’izy ireo. Mamerina manao antso avo amin’ny Ministera araka ny sendika. Araka ny andininy faha 6 amin’ny lalana 2003-011 mifehy ny mpiasam-panjakana sy ny andininy faha 10 amin-ny lalana 94-025 momba ireo mpiasam-panjakana hoy izy ireo dia tsy maharitra fa zony tanteraka ny mahazo ny fiarovana ary raha sanatria misy fahavoazana manjo azy aza vokatr’ izany dia teren’ ny lalàna ny fanjakana hanonitra io fahavoazana io.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique