airtel

Fandriampahalemana

25-févr-2022

Fandriampahalemana

Mahajanga Mirongatra ny vaky trano isam-pokontany

Sample post image

Manomboka maraina vao mangiran-dratsy ireo jiolahy manao ny asa ratsiny io ary mampiasa fanafody fampatoriana mihitsy izy ireo rehefa mamaky trano raha ny fanadiadina nataon'ny polisim-pirenena ao Mahajanga.

25-févr-2022

Ny fahitalavitra "écran plat" ary ny finday no matetika alain'ireo mpamaky trano ankoatry ny vola. Tao anatin’ny roa herinandro izay no nisy fisamborana nataon'ny polisy tao Mahajanga ireo jiolahy izay niainga tamin'ny fanomezana loharano-baovao ny olona tsara sitrapo. Tafakatra fito ireo jiolahy no voasambotra izay saika tanora avokoa ny ankamaroany. Na efa misy aza ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona dia mirongatra izay tsy izy ny vaky trano ao Mahajanga isam-pokontany. Miezaka amin'ny fanatanterahina ny fisafona hatrany ny polisy ao an-toerana manoloana ny vaky trano izay nitombo. Ireo fokontany izay voatonina ho faritra mena toy ny Tsararano, Mahavoky, Ambalavola, Fiofio , Aranta no tena foibe ahitana ireo jiolahy raha ny loharano-baovao azo. Anisan’ny lasibatra amin'ny asa ratsin'ireo jiolahy mpamaky trano koa ny fiara izay mipetraka amoron-dalana. Miaina ao anatin'ny fitaintainana arak'izany ny vahoaka Mahajanga manoloana ity raharaha vaky trano isam-pokontany.

Tolin

 

Dans la même rubrique