airtel

Fandriampahalemana

29-avril-2022

Fandriampahalemana

Mahajanga Zanak ‘i Maroantsetra ilay nisy namono

Sample post image

Nianatra ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy no anton-dian’i Elisabeth Rasoanirina tao Mahajanga, ilay tovovavy nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tany an-toerana ny Talata maraina lasa teo izay natao tao

29-avril-2022

 anaty gony ary nariana tany anaty fanariam-pako. Efa ao amin’ny taona fahatelo izy ankehitriny haka ny mari-pahaizana licence no izao nisy nisompatra izao. Tonga teny amin’ny trano fiandrasam-paty tao Mahajanga omaly ny fikambanan’ny mpianatra manohana azy, nikarakara ny fampodiana ny razana any amin’ny tany niaviany. Avy any Maroantsetra mantsy ity tovovavy ity saingy nianatra ary nandrato fianarana ao amin’ny oniversite tsy miankina iray any an-toerana. Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana lalina hataon'ny mpitandro ny filaminana ao Mahajanga mikasika ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap