airtel

Fandriampahalemana

14-janv-2026

MAHAJANGA

Zaza 3 taona naolan'ny sakaizan-dReniny

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany

14-janv-2026

Ambalahonko, fokontany Aranta, Vakim-paritra faha-5 ao Mahajanga ny faramparan'ny volana Desambra 2025 lasa teo. Zazavavy kely iray vao 3 taona monja no naolan'ny sakaizan-dReniny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia vao iray volana monja no niarahan'ilay Ramatoa sy ilay rangahy 32 taona izay sakaizany. Mpanarato ity farany ary mpivarotra filao na trondro kosa ilay Ramatoa. Nandritra ny fotoana tsy nahateo ilay Renim-pianakaviana no nanaraotan'ilay Rangahy nanaovana ny filan-dratsiny tamin'ilay zazakely vao 3 taona monja. Simba tanteraka moa ity farany, hoy ny vaovao. Nandray an-tanana ilay zaza tsy manan-tsiny ny Centre Vonjy raha toa ka naiditra am-ponja vonjimaika kosa taorian'ny famotorana nataon'ny polisy azy ilay Rangahy.
Pati
Légende : Ity ilay lehilahy lehibe tsy mataho-tody !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap