airtel

Fandriampahalemana

23-févr-2021

Fandriampahalemana

Mahasoa Est - Betroka Olona 9 nodorana niaraka tamin’ny biby fiompy

Sample post image

Olona 9 no indray namoy ny ainy tao amin’ny tanànan’i Benonoky Fokontany

23-févr-2021

 

 

 

Vohimary Kaominina Ambanivohitr’i Mahasoa Est, Distrikan’i Betroka ny alahady 21 Febroary 2021. Maty tamin’ny fomba feno habibiana satria may avokoa izy ireo, izay 3 vavy ary 6 lahy, izay misy tanora vao erotrerony. Notafihin’ny dahalo ny tanàna, ka nodoran’ireo tsy mataho-tody ireto olona tsy manan-tsiny ireto. Niara-nodorana tamin’izy ireo tao ihany koa ny omby miisa telo sy ondry 20 isa, raha ny fampitam-baovao narahina sary mampivarahontsana nataon’Atoa Alex Ranaivonandrasana.Nisy omby 2 hafa fantatra fa lasan’ireo dahalo.

 HIARO NY VAHOAKA SY NY FANANANY ?

Tsy finiavana hampiditra azy amin’ny politika, fa hita miharihary ny tsy filaminan’ny tany any ambanivohitra raha raisina amin’ity tranga ity. Mila mandinika amin’ny saina sy fanahy tsy miangatra ny mpitondra. Ny sary niseho teto Antananarivo ny sabotsy teo, indrindra tetsy Ambohijatovo sy Analakely, dia tsy tokony hisy intsony ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Mpitandro filaminana vonon-kiady, vonon-kamono, hary fitaovana no narantiranty hisakana ny famoriam-bahoaka nataon’ny mpanohitra. Any ambanivohitra anefa ny manjaka tanteraka ny dahalo, mandravarava, mandatsaka ain’olona, mandrava fananan’olona. Ilaina ny fitandroana filaminam-bahoaka manoloana ny mety ho savorovoro politika eto an-dRenivohitra, fa tokony hitovy kosa ny fitandroana ny filaminana na an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra, ary tokony hitovy amin’ireny fampiasana ny tafika hatao fitaovana politika ireny ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany mba tsy ho lasa hoe miaro ny mpanaon politika sy ny sezany.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap