airtel

Fandriampahalemana

08-août-2022

Fandriampahalemana

Manao ny ataony ny dahalo 4 mianaka natao vono moka tany Ifanadiana

Sample post image

Ny alin’ny zoma 05 aogositra 2022 hifoho ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 09 ora no nisy nanafika ny saha iray ao Andondona anatin’ny tanànan’Anjaka, kaominina Kelilalina,

08-août-2022

Distrikan’Ifanadiana. Any amin’ny 3 km miala an’Ikelalina izy io. Olona 4 mianaka be izao no novonoina tamin’ny fomba feno habibianaka zaza ny 3, izay vao 6 taona, 8 taona, taona ary 9 taona, niampy lehilahy lehibe iray 65 taona izy ireo, izay nokapaina famaky sy notsatohana antsy. Ny lohany aoriana sy ny soroka ary ny ilany ankavia amin’ny tarehy no notsatohana antsy ho an’ilay zazavavikely vao 3 taona. Nipotsaka hatramin’ny atidohany mihitsy. Nototana tamin’ny vato sy tsatok’antsy kosa ny an’ilay zazalahikely 8 taona, ary vely famaky teo amin’ny tarehiny ny an’ilay zazalahy taona. Ny an’ilay Raim-pianankaviana indray, nokapaina ho tapaka mihitsy ny tongony. Ankoatra ity vono olona mahatsiravina ity, nodoran’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny trano miisa 3 teo an-tanàna mifanakaiky amin’ny azy ireo, ka olona hatrany amin’ny 9 no naratra vokatr’izany. Vehivavy lehibe Renim-pianankaviana miisa roa no isan’ny tena voa mafy satria sady may no tapaka ny tanany. Ny misasakalin’io andro nisehoan’ny asa ratsy io no tonga tao an-toerana ny zandary, ka olona 4 teo an-tanàna ahiana ho nanao ny habibiana no efa nosamborina, niampy 14 hafa heverina ho niray tendro tamin’ireo. Valifaty no heverina fa nahatonga izany, ahiana ho noho ny ady tany raha ny tombatomban’ny mpitandro filaminana. Hatramin’ny volana febroary, taorian’ny rivodoza Batsiray, mahatratra 10 tany ho any ny trangana famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana tany amin’ity kaominina Kelilalina sy ny manodidina, raha ny fanamarihana. Tsy mbola mazava ny tena antony, izay ahiana ho resaka valifaty tsotr’izao. Mpamboly lavanila no tena betsaka amin’io toerana io, ary voalaza fa misy harena an-kibon’ny tany vatosoa ihany koa ao an-toerana.


Tsy finiavana hisintona lakolosy ary ekena fa sarotra ny mitandro ny filaminana, kanefa maneho hatrany itony tranga itony, fa tena tsy milamina ny tany, tsy voaaro ny vahoaka sy ny fananany, andihizan’ny dahalo sy ny jiolahy ny firenena. Vao herinandro nialoha an’io ilay fandripahana nataon’ny dahalo ny olona miisa 33 tao Ambolotarakely Ankazobe. Madio ny rano nitan’ny dahalo vao mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana ary ny hazalambo, tsy mba tahaka ny etsy amin’ny Kianjan’I Magro Behoririka hoe: mbola tsy miteny fa hanao hetsika akory ny mpanohitra, dia efa rakotra mpitandro filaminana hary fitaovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap