airtel

Fandriampahalemana

21-mars-2022

Fandriampahalemana

Manarintsoa Isotry Vehivavy 25 taona tratra nangalatra « écran plat »

Sample post image

Vehivavy iray 25 taona ny 18 martsa lasa teo tokony ho tamin'ny 11ora sy 30mn no tratra nangalatra vata fahitalavitra teny Manarintsoa Isotry.

21-mars-2022

Niditra tao amin'ny tokantrano iray tetsy Manarintsoa ity vehivavy ity nikasa hibata tele ecran plat raha nohevitra fa tsisy olona tao amin'ilay trano. Novahany moramora ny varavana ary niditra nitsaitsaika tao an-trano izy. Efa voahalany daholo ny fil rehetra tamin'ilay écran plat ary teo am-pibatana izany izy no tsikaritry ny tompon-trano izay niantso ny Polisy avy hatrany . Vao nahare izany ny Polisy dia naniraka ireo namany nanao fisafoana tsy lavitra teo ka noraisim-potsiny ilay mpanao ratsy. Any amin'ny faritra Ankasina izy no mipetraka saingy tonga eny amin'ny faritra Manarintsoa Isotry nanao ny asa ratsiny .

Pati
Legende : Ity ilay vehivavy

Dans la même rubrique