airtel

Fandriampahalemana

05-févr-2024

Mandabe Mahabo

Notapahan’ny olona ny tanan’ireo dahalo lavo

Sample post image

Nisy fanafihan-dahalo tany amin'ny kaominina Mandabe, distrika Mahabo,

05-févr-2024

faritra Menabe omaly 04 febroary 2024 tamin'ny 6 ora sy sasany maraina teo. Dahalo miisa 16 lahy nirongo basim-borona miisa 10 no nanafika. Nifarimbona nanara-dia ny zandary sy ny miaramila ary ny fokonolona. Vokany, 4 ireo dahalo lavon'ny mpitandro filaminana. Notapahan'ny fokonolona ny tanan'ireo dahalo maty ka natao haingon-tanàna, hoy ny fampitam-baovao. Mangataka ireo fokonolona hanampiana isa sy fitaovana ireo mpitandro filaminana any mampandry tany fa tena mijaly ny vahoaka amin'ny tsy fahandriampahalemana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tena henjana ny tsy fandriampahalemana, ary leo sy tofoka tanteraka ny olona matoa tonga amin’ny fihetsika tahaka izao. Ny ahiana fotsiny dia ny mety hisian’ny valifaty aoriana raha tsy fongotra ireo olon-dratsy, ary mihamafy ny fampandriana fahalemana.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap