airtel

Fandriampahalemana

14-mars-2022

Fandriampahalemana

Mandrangombato II Notifirin’ireo jiolahy izy mianaka avy niantsena

Sample post image

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny Mandrangombato II ny sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 7ora sy fahefany.

14-mars-2022

Jiolahy mitam-basy handeha hanafika no nifanena tamin'ny olona izay voalaza fa mpianaka avy niantsena.Notifirin’ireo jiolahy araka izany izy mianaka ka naratra mafy. Voatifitra teo amin'ny valahany ny iray raha teo amin'ny tongony ny iray.Tafaporitsaka ireo andian-jiolahy taorian’izany . Tsy nisy sahy nanenjika rahateo ireo fokonolona noho ireto farany nitondra basy. Anisan’ny tena nampitaraina fatratra ireo mponina teny an-toerana ny tsy fisian’ny mpitandro ny filaminana tokoa. Efa ho ora iray no niantsoana mantsy hono izy ireo mbola tsy nisy mpitandro ny filaminana tonga namponjy ihany.Avy hatrany moa dia nentina teny amin'ny hopitaly kosa ireo naratra ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy. Marihina moa fa ankoatra ny eny Anosibe eny dia lasa faritra mamay koa ny eny Itaosy…. amin’izao. Hetsika andrasana amin’ireo tompon’andraikitry misahana ny filaminana araka izany ny tokony hanapariahana azy ireny fa tsy avela fotsiny hivangongo eto an-drenivohitra.
Pati
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap