airtel

Fandriampahalemana

16-déc-2022

Fandriampahalemana

Mangarivotra Toamasina Teratany Sinoa iray voaroba 180 tapitrisa Ar

Sample post image

Teratany Sinoa iray indray no niharan’ny fanafihana mitam-basy afak’omaly Alarobia tao Mangarivotra Toamasina.

16-déc-2022

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany, tera-tany Sinoa izay voalaza fa mpandraharaha ara-toekarena mpivarotra sy mpanafatra ireny karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireny.Telolahy mody nisandoka ho mpiasan'ny Jirama hijery kaontera no niditra tao an-tokantranony ary nivimbina kaontera mihitsy. Refa tafiditra tao an-trano anefa ireto farany namoaka basy avy hatrany ka nanambana ilay Sinoa. Vola mitentina 180 tapitrisa Ar no nanjavona tamin’izany niaraka tamin’ny firavaka maro. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy nanafika ihany koa ity metisy Sinoa ity tamin'ny taona 2021 ka vola mitentina 50 tapitrisa Ar no very tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana ny ao Toamasina ao amin’izao (sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap