airtel

Fandriampahalemana

13-déc-2022

Fandriampahalemana

MANJA Vehivavy iray hita faty, voatapa-doha

Sample post image

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty efa tsy nisy lohany intsony tany amin’ny distrikan’i Manja afak’omaly alahady maraina.

13-déc-2022

Olona handeha hiantsena no nahita ny razana efa nivalampatra tsy nisy lohany intsony no sady mbola karazan’irony nafenina tao anaty kirihitr’ala irony ihany. Efa somary maina moa ilay ra tamin’ny faritra nanapahana ny lohan’ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nahitana azy. Tombanan’ny sasany ho saika nalana voamaso ity Renim-pianakaviana ity raha ny zava-misy. Mbola misy ihany anefa ireo velona ka naleon’ireo mpanao ratsy notapahana mihitsy ny lohany raha ny tombatombana hatrany. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery ny zava-misy ireo mponina any Morondava sy Manja manoloana izao tsy fandriampahalemana mirongatra any an-toerana izao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap