Polisim-pirenena tany amin'ny distrikan'i Maroantsetra. Nandritra ny asa fisafoana amin’ny alina fanaon’izy ireo no nahatrarana azy roalahy ny Alarobia 27 May hifoha Alakamisy 28 May teo. Tao amin'ny Fokontany Ankiakandrefana izy ireo no nifanena tamin'ny polisy. Niaraka tamin'ny entana sy fonosana maromaro izy roalahy ka raha vao nahatazana ireo mpitandro ny filaminana dia nikasa handositra saingy noho ny fandraisana andraikitra haingana nataon'ireo Polisy dia voasakana sy voasambotra avy hatrany izy roalahy. Rehefa nosavaina ireo fonosana nentiny dia nahitana vola maromaro, lambahoany, ranomanitra, satroka, kapa ary kojakoja madinika isan-karazany. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa entana vao avy nangalarina sy norobaina tany amin’ny fasana tao Marosoroka ireo tratra ireo. Nentina tany amin'ny Kaomisaria ary nanokafana fanadihadiana ireto roalahy ireto ary nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra afak'omaly Alatsinainy 01 Jona.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy roalahy sy ireo taolam-paty nangalariny tratra !