amin'ny fokontany Marofantsy, no nifanehatra tamin'ny polisim-pirenena avy ao amin'ny CSP Farafangana ny alin'ny Alarobia nifoha omaly Alakamisy 14 Desambra. Tokony ho tamin'ny 01 ora maraina raha tsiahivina no nandalo tao amin’ity Fokontany iray ity Polisy mpanao fisafoana any an-toerana. Tamin'izany ireto farany no nifanehatra tamina jiolahy 03 mitam-piadiana. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ka nisy ny fifandonana. Tamin’izany no nahalavo ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny namany roalahy. Tratra teny amin'ilay jiolahy lavon'ny bala ny basy vita gasy iray nisy bala kalibra 12, ary bara pince iray. Nogiazana avokoa ireo fitaovana ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy ireo ankehitriny.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray lavo !