airtel

Fandriampahalemana

13-mai-2022

Fandriampahalemana

Matsiatra Ambony Lehilahy iray nahatrarana basy sy grenady

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka DRSP Matsiatra Ambony tao amin’ny fari-piadidiany ny lehilahy iray 22 taona afak'omaly alarobia tokony ho tamin’ny 01ora tolakandro.

13-mai-2022

Tafiditra ao anatin'ny fikambanan-jiolahy izay mpambotry ireo mponina any an-toerana mantsy izy no sady mbola nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa.Fantatry ny Polisy miasa any an-toerana ny olona izay anisan’ny mpamatsy fitaovam-piadiana ireo mpanao ratsy any amin’iny faritra iny. Avy hatrany dia tany amin'ity lehilahy ity ny sain'izy ireo ka nidina teny amin’ilay tanana voalaza izy ireo. Tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany ny lehilahy ka tsy afa-nikofoka. Nandritra ny fisavana ny trano fonenany dia mbola nahitana basy MAS 36 , bala miisa 05, basim-borona 01, « grenades défensives » miisa 02, solosaina miisa 02 sy panneau solaire 01 halatra tao aminy. Nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana sy ody gasy maromaro fampiasa mandritra ny asa ratsy hotanterahany ihany koa. Mitohy ny fanadihadiana amin'ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tsiahivina moa fa natao handemena ireo olona hanaovan-dratsy ny fampiasana ody gasy hataon'ireo mpangalatra tahaka izao.
Pati
Legende:Basy, grenady ary ody gasy no tratra tao amin’ilay lehilahy
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap
26-mars-2024

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap
26-mars-2024

Teny filamatry ny zandarimaria ny hoe "Miaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony",

Card image cap