Olona 7 hatreto no voarohirohy amin’ilay raharaha volamena 5,75 kg tratra teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Ivato, ny 13 Septambra 2026, ka isan’izany ny mpiasan’ny fadintseranana sy ilay vehivavy 24 taona nitondra ilay volamena. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 6, izay 5 tamin'ireo izay mpiasan'ny fadintseranana nalefa eny Antanimora , ary ilay vehivavy nitondra ny volamena kosa eny Avaradrano, raha ny tatitry ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny PAC (Pôle Anti-corruption) eto Antananarivo Bendrainy Velo. Vavolombelona iray isan'ny nahazoana ny vokatra kosa arovana manokana. Mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo atidoha hafa. VOATONONA INDRAY NY PARPIA GOLD Nambaran'ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa tsy 6 kg fotsiny fa mihoatra an'io raha tsilian-tsofina. Orinasa iray any Dubai, antsoina hoe « Parpia Gold », no voalaza fa tompon’ilay volamena. Hita tao amin’ny findain’ilay vehivavy ihany koa ny laharana finday avy any Dubai, ka mbola mitohy ny fanadihadiana hamantarana ny tambajotra sy ireo olona mety ho voakasik’ity raharaha ity, raha ny tatitra. Marihina fa tratra tao anaty fiaramanidina Ethiopian Airlines ilay volamena, raha saika hivoaka an’i Madagasikara. Efa tany anaty fiaramanidina no navoaka. Efa voatonona tamin’ny raharaha volamena 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo ilay orinasa ny faran'ny taona 2020 tamin'ny andron'ny Fitondrana Rajoelina io Parpia Gold io. Niady ny hamerenana ireo volamena sy ny lelavola 20.000 USD izay nentin'ireo teratany malagasy 3 tratra tamin'izany, saingy nolavin'ny Fitsarana Afrikanina tatsimo. 6 taona aty aoriana, mbola miverina ilay anarana. Midika fa nitohy foana ny trafika, eny fa na niova aza ny Fitondrana dia eo foana ny tambajotrana mafia. Iza marina no ao ambadik’ity tambajotra ity? Ary iza avy no mbola mety ho voakasika ? A ENCADRER Henjana ny trafika avy eto ary mampiteny ny moana ny valerany. Raha hiverenana, ny antontanisan’ny Département des Affaires économiques eo anivon’ny Firenena Mikambana, ohatra, dia namoaka fa 6,8 taonina ny volamena niondrana antsokosoko teo anelanelan’ny 2018-2023, izany hoe : tao anatin’ny fitondrana Rajoelina amin’ny ankampobeny. Nahatratra 2,490 taonina niondrana tany Dubaï ny 2021 mitentina 500 miliara Ar eo ; 515kg mitentina 120 miliara Ar ny taona 2022 ; 1,19 taonina tany Turquie ny 2023 mitentina 280 miliara Ar,… Tokony hahantra ve ny vahoaka sy ny Firenena raha tsara tantana ny harena eto?
Toky R
Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro