airtel

Fandriampahalemana

09-nov-2021

Fandriampahalemana

Miandrivazo Nanjavona ny gadra 32 kanefa tsy vaky ny fonja

Sample post image

Tsy vaky ny fonja ary tsy nisy ny lositra na fitsoahana saingy tsy hita fotsiny ireo gadra miisa 32 tao Miandrivazo, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja na DGAP,

09-nov-2021

 Ranaivo Tovonjanahary Andriamaroahina. Mitohy ny fanadihadiana ary hivoaka tsy ho ela ny marina momba izany, raha ny fintin’ny fanazavany hatrany. Velom-panontaniana moa ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao mikasika ity zava-misy ity. Matoatoa ve izany ireo voafonja tsy hita ireo? Nentin’ny avelo ve? Iza no namoaka an-tsokosoko azy ireo tao? Hatraiza ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin’ny fonja sy ireo voafonja? Isan’ny fanontaniana hiandrasana valiny mafonja ireo ka asa na ho vitavita ho azy toy ny resaka “bonbon sucette” sy “écran plat” indray na “satroboninahitra” sy “volamena 73,5kg”.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap