airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2023

Mihantsy mpitandro filaminana ny jiolahy

Tanànana manamboninahitra voatafika, lasa ny basy

Sample post image

Jiolahy am-polony no tonga handroba tao amin'ny fonenan'ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena teo aloha ny alin'ny talata 5 septambra teo,

12-sept-2023

raha ny tsiahim-baovao voaray. Polisin'ny FIP iray, mbola mpiana-draharaha, no miambina ny tanàna ka izy no nodarohan'ireo olon-dratsy avy hatrany tao amin'ny trano kely fiambenany. Naratra ny tenany. Lasan'ireo mpanafika ny basy teny aminy izay manana ny marika “Pistolet mitrailleur MAT 49” miaraka amin'ny bala 25 isa sy fitoeram-bala iray. Voaroba ihany koa ny finday iray, firavaka volafotsy 2 ary jiro “torche ultrafire” iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Efa mihantsy ny mpitandro filaminana, araka izany, ireo jiolahy.
J. Mirija
Légende: Karazan’ilay basy very (Sary Skispass ATM)

 

 

 

Dans la même rubrique