airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2022

Fandriampahalemana

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Mpianatra ho polisy 1450 no horaisina

Sample post image

Misokatra ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisy ho an’ny taom-pianarana 2022. Mpianatra ho polisy miisa 1450 no horaisina izay mitsinjara toy izao.

04-mars-2022

Miisa 30 ny mpianatra ho kaomisera polisy, 50 ireo mpianatra ho manam-boninahitra Polisy, 220 ireo mpianatra ho inspektera polisy, raha miisa 1150 mpianatra ho Polisy. Nandritra ny filan-kevitry ny ministra moa no nivoahan’ity vaovao ity. Nanamafy ny tokony hisian’ny fahadiovan’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ny Filoham-pirenana araka izany ka izay mendrika sy mahay ihany no tokony horaisina. Hatao isaky ny renivohi-paritany ihany koa ny fifaninanana mba hahafahan’ny mpiadina rehetra misitraka izany. Tsy azo ekena intsony araka izany ny fanaovana risoriso sy kolikoly antony tena mahakivy ireo zana-bahoaka lany ron-doha tamin’ny fianarana ka mampiraviravy tanana azy ireny. Andrasana indray araka izany ny mety ho fahatanterahan’izany fa tsy hijanona ho kobana am-bava fotsiny ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Asa fanompoana tanindrazana ny asana polisy.
(Sary nindramina)
 

Dans la même rubrique