airtel

Fandriampahalemana

06-déc-2022

Fandriampahalemana

Minisitry fiarovana miatrika ny AIS Niresaka fitrandrahana ny ranomasina ho angovo

Sample post image

Any Bali Indonésie mandray anjara amin'ny AIS (Archipelagic and Island States Forum) izay fihaonam-ben'ireo Firenena sy Nosy Manodidina ny Ranomasimbe Indianina nanomboka omaly 5 Desambra 2022 ny Jeneraly

06-déc-2022

Rakotonirina Richard Minisitry ny Fiarovam-pirenena sady Minisitry Raharaham-bahiny mpisolo toerana. Omaly, nisy ny fandraisan’anjarany tamin'ny Blue Innovation Solution Conférence izay Fikaonan-doha hitadiavana ireo fomba fiasa vaovao hiarovana ny harena ao amin'izany ny tenany. Noresahina nandritra ity Fikaonan-doha ity ny fametrahana ny paikady iraisana amin'ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fitantanana ny harena no an-dranomasina amin'ny endriny vaovao, araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nisy ny fandraisam-pitenenany omaly, izay nataony tamin’ny teny Indoneziana izany no mifono hevitra manokana ho an’i Madagasikara. Noresahiny ny fanavaozana azo atao amin'ny fitrandrahana ny ranomasina hiteraka angovo na ny "Énergie Renouvelable Marine" (ERM) ka tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana ny lomo-dranomasina na ny "algues" hamokatra angovo sy hanadio ny rivotra iainana. Eo ihany koa ny famokarana herinaratra amin'ny ranomasina sy ny fanodinana ireo akora plastika. Navohitrany ihany koa ny fandriampahalemana eny an-dranomasina indrindra ny ady amin'ny jiolahitsambo sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina izay andraikitry ny firenena na atao hoe « actions de l’état en mer » izany. Nihaona tamin’ny Minisitra mpandrindra ny raharaha an-dranomasina Indonezianina Luhut Pandjaitan moa ity Minisitra Malagasy ity, niresaka ny fomba entina hanamafisana ny fiaraha-miasa eo firenena roa tonta sy ny fandrindrana ny eny an-dranomasina mba hanatsarana bebe kokoa ny fitantana ny harena an-dranomasina. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahinin’ny Sri Lanka Tharaka Balasuriya ihany koa, niresaka ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy Sri Lanka ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana mikasika ny vatosoa sy ny fandriampahalemana an-dranomasina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap