airtel

Fandriampahalemana

23-juil-2021

Fandriampahalemana

Minisitry ny filaminana anatiny “Anananay ny porofo, mbola hitohy ny fisamborana”

Sample post image

Olona 6 ireo voasambotra momba ilay raharaha voalaza fa fikasana hamono ny Filoha sy olona ambony, ka Malagasy mitondra ny zom-pirenena vahiny roa,

23-juil-2021

 teratany vahiny iray, ary Malagasy ny ambiny. « Raha ohatra ka vahiny vao tonga dia visa touristique no nidirany teto, fa vahiny misehatra amin’ny lafiny fandraharahana no nanakonany ny asa ratsy saika hataony teto Madagasikara. Marika hita tety ivelany sisa ny fisamborana, fa ny angom-baovao rehetra dia efa am-bolana maro, narahin’ny polisim-pirenena sy ny sampan-draharaha teo anivon’ny fanangonam-baovao rehetra misehatra eto Madagasikara ireo nosamborina », hoy ny Minisitry ny filaminana anatiny Randrianarison Fanomezantsoa omaly. Tsy nilaza anarana ny polisim-pirenena, saingy ny fampahalalam-baovao ofisialin’ny Fanjakana dia milaza fa isan’ireo voasambotra i Philippe François, (Colonel dans l'armée de terre et ex chef de corps d'un régiment d'infanterie de marine Française). Efa namita iraka tamin'ireo firenena izay azo lazaina fa nafampana toy ny tany Kosovo, Croatie, Bosnie, Tchad, Côte d'Ivoire, Comores ny lehilahy fony izy mbola amperin'asa. Samy nivoaka tao amin’ny Sekoly Saint-Cyr manofana ireo miaramila Frantsay avokoa na izy na i Paul Rafanoharana, iray amin’ireo nosamborina. Nambaran’ny fampahalalam-baovao vahiny kosa fa ny Sampam-pitsikolovana Amerikana no nampahafantatra ny eo anivon'ny Polisim-pirenena Malagasy. « Rehefa natao ny angom-baovao rehetra dia hita sy tsapa ary ny fotoana nisamborana tao anatin’ny Fanjakana ny zo amin’ny maha ao anatin’ny ahiahiana izy ireo. Ny angom-baovao eo am-pelantananay dia efa manaporofo ny tena mety ho fandraisany anjara amin’ny fanonganam-panjakana sy ny famonoana olona ambony eto Madagasikara. Nisy ny fisamborana, izay tao anatin’ny ara-dalàna tsara, tsy nisy mersenera na iray aza fa ny polisim-pirenena irery no nanatanteraka ny asa. Mbola voafaritra ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana amin’izao, ka tsy afaka hanome ny ambangovangom-baovao », hoy ny Minisitry ny filaminana anatiny Randrianarison Fanomezantsoa. Betsaka, hoy io manamboninahitra io, ny fanambarana niseho taorian’ny nataon’ny fampanoavana ambony, fa ny polisim-pirenena dia fihanianana voalohany natao tamin’ny fandraisana ny asa mianiana fa hiaro ny fitondram-panjakana mijoro ary hanatanteraka amin-kitsim-po ny adidy napetraka, dia ny mikaroka ny fandikan-dalàna misy.
Legende :Paul Rafanoharana nandritra ny fisavana ny tranony sy ny fisamborana azy
NAHITANA FITAOVAM-PIADIANA
Nisy fitaovam-piadiana, lelavola maromaro, niaraka tamin’ny antontan-taratasy manaporofo amin’ny mety ho fandraisany anjara mivantana tamin’iny ambana famonoana ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy Fanjakana. Ora iray fa toerana maromaro no nisamborana azy ireo tamin’ny talata 20 jolay teto Antananarivo. Ny olona tsy azo tapenam-bava, fa tsy sanatrian’ny vava ny Fitondram-panjakana no handeha hanakorontana saim-bahoaka, tena avo lenta io, fa miantso ny vahoaka ho tony.
Legende: Mbola hisy ny fiantsoana sy fisamborana olona hoy ny Minisitry ny filaminana anatiny Randrianarison Fanomezantsoa
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap