airtel

Fandriampahalemana

05-mai-2025

Mirongatra indray ny zaza very

Lasibatra na ny kely indrindra na ny miala sakana

Sample post image

Nentin’ny olona tsy fantatra i Kaylie anio hariva ( TTF : ny harivan’ny sabotsy teo)

05-mai-2025

tamin’ny 4 ora, hoy ny renina zaza iray monina ao Antanimalandy, Mahajanga. Tsy mbola niverina hatramin’izao, hoy izy ny sabotsy teo, ka hiangaviana izay mahita azy na manam-baovao hiantso ny laharana 0320499243. Zatovovavy iray 17 taona ihany koa no tsy hita hatramin’ny zoma teo raha voalaza fa niala tao an-tranony tao Antsirabe hihazo an’Antananarivo. Mbola zatovovavy ihany koa, 16 taona, no nanaovan’ny ray aman-dreniny ombay mitady ny 1 may teo fa tsy hita niaraka tamin’ny olon-tiany tamin’iny andro iny. Nisy nahita teny amin’ny lalan’i Mahazoarivo ho any Ankadimbahoaka izy ireo, raha ny fampitam-baovaon’ny rain’ilay tovovavy tamin’iny sabotsy iny, ary ilay zatovolahy niaraka taminy dia sady nitsaoka niaraka taminy no nilaza tamin’izay nanontany rehefa fa miaraka aminy ilay tovovavy. Hita ho mirongatra indray, araka izany, ny zaza very eto amin’ny firenena ary na ny kely indrindra na ny miala sakana dia lasibatra avokoa tato ho ato.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap
19-juin-2025

Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy

Card image cap