airtel

Fandriampahalemana

28-nov-2022

Fandriampahalemana

Morondava Tratra ilay jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano

Sample post image

Jiolahy rain-dahiny miisa 02 no saron’ny Polisy miasa ao Morondava rehefa namaky trano ny faran’ny herinandro teo.

28-nov-2022

Efa andro maromaro tokoa raha tsiahivina dia nisesisesy ny vaky trano tao an-tampo-tanànan'i Morondava izay nampihorohoro ireo mponina tany an-toerana. Nanamafy ny fisafoana sy ny paik’ady nanenjehina ireo jiolahy ireo ny Polisy araka izany ka nahitam-bokany izany. Rehefa nosavaina ny tranony miisa 02 ao Morondava dia nahitana karazan’entana maro halatra toy ny vata fahitalavitra, solosaina, kojakojan-tokantrano maro, finday maro isan-karazany, akanjo ary ody gasy izay hampiasain’ity jiolahy ity rehefa manao ny asa ratsiny. Araka ny fantatra anefa dia tsy mandeha irery ity jiolahy ity rehefa manao ny asa ratsiny fa misy namany maro hafa ary efa voasambotra tao Ankisirasira ihany koa ny iray tamin'izy ireo ary efa notazomina eny amin'ny biraon'ny Polisy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana atidoha tamin’ny vaky trano tao an-tampon-tananan’i Morondava
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap